Anisan’ny nitondran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy fanazavana ireo manahirana ny vahoaka sy ny vahaolana avy amin’ny fanjakana. Anisan’izany ny lalana sy ny delestazy.
“Tena mitady ny vahaolana amin’ireo mampikaikaika ny vahoaka ny filoha sy ny praiminisitra”, hoy izy tao amin’ ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono, omaly , tao amin’ny TVM/RNM. Notanisainy tamin’izany ny momba ny vahaolana eo amin’ny delestazy ka nanaovana filankevitry ny minisitra manokana ny alin’ny alarobia teo. Manampy izany ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ireo mpandraharaha solika ary ny fanjakana, nikarohana vahaolana.
Etsy andaniny, efa manomboka sy an-dalana ny fanamboaran-dalana, anisan’ ny mampikaikaika ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny lalam-pirenena sy ireo tetikasa hafa efa atao. “Tsy mandry andro aman’alina ny fanjakana mikaroka vahaolana momba ny lalana sy ny fikojakojana izany, iarahana amin’ny mpandraharaha solika”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa nadio tanteraka ny vola tokony ho naloan’ny fanjakana amin’ireo mpandraharaha solika ireo raha tsy mbola naloan’izy ireo kosa ny anjaran’ny fanjakana. Horaisin’ny filoha an-tanana ny fifampiraharahana handoavana ny vola tokony hikojakojana ny lalana. Tsy miala andraikitra ny fanjakana ka antenaina ny ahitana vahaolana.
Notsiahiviny koa fa tena matotra ny nahazoan’ny filoha ilay mari-pankasitrahana “Babacar Ndyaie” ho amin’ny fanorenana, iarahana amin’ny Bad. “Tsy ny lalana ihany ny masontsivana nahazoany izany fa eo koa ireo fotodrafitrasa samihafa… Efa nisitraka izany loka izany ireo filoha Afrikanina fito hafa”, hoy izy.
Synèse R.