Nidoboka am-ponja eny Antanimora : inspektera sandoka tratra teo am-pangalarana moto

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ireo roa lahy nangalatra moto tetsy Am­pasika. Naka taxi-moto, niala teo Antanimena ka hihazo eny Ampitatafika ny mpisoloky iray. Nitonontena ho inspektera io lehilahy io. Matahotra entina moto anefa izy, raha ny nambarany tamin’ilay tompona moto ka nangataka hitondra izany. Maim-bola, nanaiky ilay tompona taxi-moto ka izy indray no nentin’ilay mpisoloky. Mody nalatsak’ity mpisoloky ity anefa ny telefaonina tsy miasa intsony teny ambony moto. Nirahany haka io telefaonina halatra io ny tompon’ny moto izay nentin’ny tsy fahafantarana. Poa toy izay, nirifatra nandositra ilay ins­pek­tera sandoka niaraka
amin’ny moto. Nanatona ny zandary ilay lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ilay mpisoloky ireto farany. Tra-tehaka tetsy Ampasika Ando­ha­tapenaka io lehilahy io. Natao famotorana, nitoroka ny jiolahy mpandray moto halatra namany io inspektera sandoka io. Sarona koa io lehilahy voatondro io.

Natolotra fampanoavana izy mirahalahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Tsiferana R.

Partager sur: