Peace Corps : mpilatsaka an-tsitrapo 21 vita fianianana

Mpilatsaka an-tsitrapo 21 mianadahy indray no nahavita fianianana, omaly, teo anoloan’ny Mpanolotsaina voalohan’ny Ambasady ame­rikana, Tobias Gluck­s­man. Hanampy isa ireo efa eto an-toerana izy ireo hiantsehatra amin’ny asa sosialy any amin’ny toerana ambanivohitra.
Miverina tsikelikely ny asan’ny Peace Corps ankehitriny, taorian’ny fampodiana faobe ireo mpilatsaka an-tsitrapo, vokatry ny valanaretina Covid-19, tamin’ny taona 2020.
Nianatra momba ny teny sy ny kolontsaina malagasy nandritra ny 12 herinandro ireo mpilatsaka an-tsitrapo sady nanamafy ny fahaiza-manao ara-teknika, mialohan’ny hanaovana fianianana. Hamonjy ny toerana misy ireo tetikasany eto Mada­ga­sikara amin’izay ary hiasa mandritra ny roa taona izy 21 mianadahy ireo.
Hiantsehatra amin’ny fahasalamana avokoa ireo mpilatsaka an-tsitrapo vaovao. Hanohana ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fahazoana rano madio fisotro sy ny fidiovana ary ny fanatsarana ny fahasalamana ara-pananahan’ny tanora.
Efa maromaro ireo mpi­­latsaka an-tsitrapo ame­rikanina tonga eto Madagasikara indray. Ny sasany amin’izy ireny ma­nampy amin’ny sehatry ny fampianarana eny amin’ny lycée. Ny hafa manampy amin’ny teknikam-pambolena eny ambanivohitra…

Tatiana A

Partager sur: