Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), omaly, fa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny minisitra Andriamanampisoa Solo, sy ny Vondron’ny kaompanian-tsolika eto Madagasikara (GPM) taorian’ny fivoriana, ny 4 mey teo. Araka izany, nomen’ny minisitra toromarika ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Jirama, nampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fanapahan-jiro na delestazy ho an’ny Tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA). Hanamarinana izany, notaterin’ny minisitera MEH, fa efa an-dalana miakatra avy any Toamasina hihazo an’ Antananarivo ireo fiarabe mpitatitra solika. Tsikaritra fa tsy nisy tokoa ny fahatapahan’ ny herinaratra teto an-dRenivohitra, omaly.
Tsiahivina, fa nanapa-kevitra tsy hamatsy solika ny Jirama intsony ireo orinasa tsy miankina mpamatsy azy ao anatin’ny GPM. Satria, voalazan’ireo farany, fa mihoampampana ny trosany tsy naloan’ny Jirama. Nanoloana izany, nanao antso tolo-bidy iraisam-pirenena ny Jirama, hamatsy solika azy, saingy tsy fantatra raha nisy namaly na tsia.
Taratasy lany daty
Manampy ireo, nanamarika ny MEH fa taratasy efa talohan’ilay fihaonana ny 4 mey, nisian’ny marimaritra iraisana no nisy nanaparitaka tanaty tambajotra sosialy, milaza fa hampiato ny asany ny orinasa Tozzi Green, nanomboka ny 5 mey teo. Mitantana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano eny Farahantsana, Sahanivotry, Maroantsetra, sns, ity orinasa ity. Ho an’ny MEH, taratasy efa lany daty iny nisy nanaparitaka iny.
Njaka A.