Mpianatra 60 mianadahy, nanaraka ny fampianarana teny anglisy maimaimpoana nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Iarivo Speaking English », no notolorana mari-pankasitrahana, omaly , tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Nisalotra ny anarana “Pride of Iarivo” ity andiany fahatelo ity.
Nianatra nandritra ny efa-bolana izy ireo ary mahavoafehy tanteraka ny teny anglisy britanika sy ny teny anglisy amerikanina. Tanjona ny fanohanana ireo tanora amin’ny fanohizany ny fianarana sy ny asa ataony.
Iaraha-miasa amin’ny fikambanana Ivoarana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Haikanto, kolontsaina sy vakoka ary ny fiainam-piarahamonina ny tetikasa. Natao ho an’ny mponin’Antananarivo te handalina ny teny anglisy ny tetikasa “Iarivo Speaking English”.
Manana tombony kokoa ireo tanora mahafehy ny teny anglisy rehefa misehatra amin’ny asa noho ireo tsy mahay izany. Maro rahateo ny orinasa mitaky ny fahaizana teny anglisy raha hiasa ao aminy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny mianatra ity tenim-pirenena ity.
Tatiana A