Maro tamin’ireo mpampianatra vakatera eny anivon’ny ambaratonga ambony miankina amin’ny fanjakana ny tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona. Manaitra ny sain’ny fanjakana izy ireo, noho izany, alohan’ny hampiatoana ny fampianarana.
Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, teny Ankatso, ireo mpampianatra vakatera miasa eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo sy ny Seces, omaly. “Tandindonin-doza ny fampianarana ambaratonga ambony noho ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny karaman’ireo vakatera tao anatin’ny 4 taona”, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, Pr Ravelonirina Sammy Grégoire.
“Hampiato ny fampianarana manomboka ny talata izao izahay vakatera rehetra eny anivon’ny sekoly ambony Polytechnique eny Vontovorona”, hoy ny solontenan’izy ireo, Rakotomanana Zakaria. Tsy mbola nandray karama tao anatin’ny 4 taona (nanomboka ny 2018-2019 hatramin’izao) izy ireo ny antony, raha ny fanambarana. Nohamafisin’izy ireo fa 25 %-n’ny karama voaray nanomboka ny 2018 sy 2019, ary tsy nisy intsony taorian’izay.
Manoloana izany, takin’ny Seces, sampana Antananarivo ny handoavan’ny fanjakana ny valin-kasasarana (vacation) ho an’ireo mpampianatra vakatera manerana ny Nosy. Ankoatra izay, mitaky ny mangarahara amin’ny fandraisana mpiasa raikitra eo anivon’ny fanabeazana ihany koa izy ireo. Angatahan’izy ireo ny hamoahan’ny fanjakana ny volavolan-dalàna 5 mifehy ny vakatera, araka ny lalàna laharana 2021/005. Entanina ny mpampianatra rehetra manerana ny Nosy mba ho tonga saina manoloana ny antsojay mahazo ny mpampianatra, raha ny fanazavana hatrany. Tanjona ny handrindrana sy hanatsarana ny rafi-panabeazana sy hitsinjovana ny zo aman-kasin’ny tsirairay eny anivon’ny fampianarana ambaratonga ambony.
Maro anisa ny vakatera
Tsy vitan’ny mpampianatra raikitra irery ihany ny fampianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana fa miankina amin’ny mpampianatra vakatera, raha ny fanazavana. 64%-n’ny mpampianatra eny anivon’ny Ambaratonga ambony eny Ankatso ireo vakatera. Manodidina ny 75% kosa ireo any amin’ny faritra. Maherin’ny 105 ireo vakatera eny anivon’ny Polytechnique eny Vontovorona, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo mpampianatra. “Mikatona ho azy ny sekoly rehefa tsy misy mampianatra intsony ireo vakatera rehetra”, hoy hatrany ny filohan’ny Seces.
Handefa taratasy any amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika izy ireo aorian’ny hetsika, mba hanamafisana ny fitakiana. Hiditra amin’ny fampiatoana ny fampianarana, ny talata izao, ireo mpampianatra eny amin’ny Polytechnique Vontovorona raha tsy voaloa ara-dalàna ireo tombontsoa sy zo takin’izy ireo. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha eo anivon’ny ambaratonga ambony rehetra.
Mino (mpianatra asa)