Antoko TIM : nisy ny kongresim-paritra tany Analanjirofo

Tontosa, omaly, tany Fe­noarivo Atsinanana, ny kongresim-paritra ho an’ny an­toko Tiako i Madagasi­kara (Tim) any amin’ny faritra Analanjirofo. Nitondra fa­nentanana ho an’ny mponina, nihaino sy nitafa tamin’izy ireo no nataon’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ankoatra ny maha kongresim-paritry ny antoko Tim azy. Nanotrona azy tamin’izany ny solombavambahoaka miara-dia ami­ny. Anisan’izany Razara Pierre Fidel sy Rabenirina Mamy.
Nandritra ity kongresim-paritra tao Fenoarivo Atsi­nanana, faritra Analanjirofo ity, nanohy ny fanentanana ny olona momba ny fifidianana ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Tao anatin’ny fitafana sy fihainoana ny vahoaka no nanambaran’ny solontenan’ny mponina ny fijalian’izy ireo mahakasika ny lalam-pirenena fahadimy, izay atao ao anatin’ny adiny 14, raha ny nambaran’ny solonte­nan’ny mponina avy ao Ma­roan­tsetra.
Mbola hitohy ny fitsidihana, indrindra ny fanentanana ny olona hifidy sy handray anjara amin’ny fifidianana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: