Lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina, tetsy Antsahamanitra, ny lehilahy iray mpanendaka.Tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ity. Raikitra ny fifandonana sy finanenjehana teo amin’ny roa tonta. Mbola nisisika nanao ny asa ratsiny hatrany moa ity jiolahy ity nandritra izany ka voatery nitifitra ny polisy mba hisakanana ny asa ratsiny. Vokany, voatifitry ny mpitandro ny filaminana izy ary maty tsy tra-drano, raha ny vaovao voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Nahitana fitaovam-piadiana (basy sy antsy) moa tany amin’ity jiolahy ity rehefa nosavain’ny polisim-pirenena.
Efa maro ireo nitondra takaitra teny amin’ny faritra Antsahamanitra iny noho ny asa ratsin’ity jiolahy ity, raha ny zava-misy sy ny fanazavana voaray. Marihina fa ahitana mpitandro ny filaminana miandry sy manara-maso ny mpanendaka sy ireo mpisinto-mahery ny toerana fiandrasana fiara sy eny anelakela-trano rehetra ary ireo faritra mena eto amin’ny faritr’Antananarivo. Mba hiarovana ny vahoaka sy hitiliana ireo mpanao ratsy mampijaly vahoaka no tanjona.
Mino (mpianatra asa)