Avy nandona taxi… : Iray maty, fito naratra nofaohin’ny fiara 4×4

Olona iray no fantatra fa maty tsy tra-drano raha fito hafa kosa naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly tolakandro…

Maty tsy tra-drano ny skoto iray nandeha an-tongotra, nofaohin’ny fiara 4×4 iray teny
La Réunion kely, lalam-baovao Andramiarana ,fokontany Mo­rondava, kaominina Am­bohibao Antehiroka, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, avy nivavaka ireo olona tao anatin’ilay fiara 4×4 ka nandeha mafy ny mpamily. Tsy nahafehy ny familiana anefa izy ka nifatratra tamina mpandeha an-tongotra avy nivavaka ihany koa ary nitrongy fiara taxi iray. “Nandeha mafy ilay fiara 4×4 ka tafavoaka ny lalana, nandona mpandeha an-tongotra sy fiara taxi iray nijanona tamin’ny sisin-dalana”, hoy ny fanazavan’ny vehivavy iray nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola nandona andrin-jiron’ny Jirama ihany koa ilay fiara 4×4. Mafy ny fifandonana satria nanidina tao amin’ny reniranon’Ikopa mihitsy ilay fiara taxi P.405.
Potipotika tanteraka ilay fiara 4×4…
Naratra avokoa ireo olona tao anatin’ilay fiara 4×4 sy taxi (fito ny fitambaran’izy ireo) noho ny dona mafy nahazo azy ireo. Nentina haingana namonjy ny hopitaly manara-penitra sy Ambohibao ireo naratra. Ireo olona tao anatin’ilay fiara 4×4 no tena voa mafy, araka ny fi­tantaran’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana. Nidona mafy teo amin’ny fitaratrabe anoloan’ny fiara ny lohan’ny olona iray nipetraka teo anoloana. Nifanome tanana namoaka ireo olona avy ao anaty fiara ny fokonolona teo an-toerana niaraka tamin’ny zandary. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny zandary ka ny valin’izany no ma­maritra ny marina rehetra mom­­ba ity loza ity. Anisan’ny lalana mitera-doza matetika ihany koa iny lalam-baovao iny satria maro ireo mpamily mam­piasa iny lalana iny no alaim-panahy mampiakatra ny hafainganam-pandehan’ny fiara. Tam­­poka anefa ny fiavian’ny loza ka tokony hitandrina hatrany.

J.C

Partager sur: