Covid-19 : nidina 17 ny tranga vaovao

17 ny isan’ny tranga vaovao Covid-19 voatily ho an’ny herinandron’ny 29 avrily ha­tramin’ny 5 mey, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka. Mihena ha­trany ny tranga vaovao amin’ny fitiliana 185 vita. Marary iray no ao anatin’ny tranga misy fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’ny herinandro. 15 ny marary amin’izao fotoana izao. Nanom­boka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 5 mey lasa teo, 68 253 ny isan’ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina manerana ny Nosy, 66 814 ireo sitrana raha lavo ny 1424.
Enina ny faritra mbola ahitana ny valanaretina araka ny fitiliana. Enina ny tranga vaovao eto Analamanga, dimy ho an’i Vakinankaratra. Roa avy any Androy sy Matsiatra Am­bony ary tokana avy ny any Boeny sy Itasy. Efa tsy mandeha manao fitiliana intsony koa ny olona fa manatona mpitsabo avy hatrany mizaha fahasalamana ary manao ny fitsaboana. Tsapa fa miha betsaka ny olona tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana misahana manokana ny mpiasa tao anatin’ny herinandro maromaro. Mila mitandrina fa mbola mi­toetra eto amintsika ny Covid-19. Efa nangingina rahateo ny fanentanana amin’ny fanaovana vaksiny miaro aminy tato ho ato. Tsy misy mampiasa arovava sy orona intsony koa ny rehetra.

Vonjy

Partager sur: