Tsy nitsitsy fitenenana ary hentitra ny depiote etsy amin’ny boriborintany fahadimy, Raholdina Naivo, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Nilatsaka ny fampitandreman’ity olom-boafidy IRD ity.
«Aoka isika tsy hanana ahiahy amin’ny hizoran’ny fifidianana. Handraisana fepetra ireo mikasa ny hanakorontana. Tsy azo ekena ny bontolo na ny fikotrehana fanakorontanana», hoy izy, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tsy maintsy hisy ary hatao ny fifidianana ka tokony tsy hanana ahiahy ny rehetra. Nambarany tamin’izany fa efa vonona ny fanjakana amin’ny vola hiatrehana izany, amin’ny alalan’ny fijeren’ireo depiote ny momba ny tetibola.
Etsy andaniny, nohitsiny fa tsy tokony hokitihina izany io lalàm-pifidianana io. “Azo iasana sy mahafeno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana io lalàna io. Tsy mihevitra ny hanova izany izahay”, hoy izy.
Voatsikera ny KMF/Cnoe
Notebahiny ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, nanao fanambarana farany teo, ka nohitsiny ho mitady tombontsoa manokana amin’ny fitakiana ny hikitihana izany sata mifehy ny fifidianana izany noho ny resaka famatsiam-bola ho azon’izy ireo.
Nitodika amin’ny olom-pirenena avy eo ny tenany, nanambara ny amin’ny tokony hanamarinana ny anarany any anaty lisi-pifidianana. Eo koa ny antoko politika amin’ny tokony ho andraikiny. “Manamafy ny mpikambana eny ifotony sy manomana ny fifidianana fa tsy maintsy hisy izany”, hoy ihany izy.
Synèse R.