Fijoroan’ny AFM : tsy hanaiky ho fitaovana politika ireo foko

Nifarana ny herinandro teo, teny Ilafy, ny fihaonamben’ireo raiamandreny eo anivon’ireo foko manerana ny Nosy, natao teny Ano­siavaratra. Nivoitra tamin’izany ny fijoroan’ny Anteni­mie­ran’ny foko (AFM). Nambaran’ny filoham-boninahitra voafidy tamin’izany ny fehinkevitry ny fihaonana. “Tsy hanaiky hatao fitaovana politika izahay. Hisi­kim-ponitra hanamafy ny fihavanana, ka hisitrahan’ny tsirairay eny ifotony ny harena nomen’i Zanahary antsika”, hoy izy. Nanteriny koa fa hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana izy ireo ary hitsinjo ny hasina maha olona. Homena lanja koa ny maha Malagasy. Hisitraka ny harena nomen’i Zanahary ny tsirairay eny ifotony.
Tsiahivina fa naharitra efatra andro ny fivorian’izy ireo, teny Ilafy. Miisa 97 ireo foko nanana solontena nandray anjara tamin’izany. Nam­baran’ny mpitarika fa mbola misokatra ny fandraisana ho mpikambana ireo foko hafa, tsy nahatonga solontena.

Synèse R.

Partager sur: