FMFP : mampivoatra ny sehatrasa indostrialy

Nahazo mari-pankasitrahana tany Antsirabe ireo fikambanana 9 misehatra eo amin’ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara, ny zoma teo. Voafantina tamin’ny fifaninanana mikasika ny fahaiza-manao sy fanarahan-dalàna ara-tsosialy (P2CSI) izy ireo. Nokarakarain’ny FMFP (Fonds Malgache de Formation Professionnelle) ary teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny hetsika. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra avy eto Mada­gasikara sy hampiroboroboana ary hanitarana ny tse­na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy isam-paritra, manaraka ny fenitry ny asa iraisam-pirenena.
Nandritra ny herintaona ny fiofanana nifanakalozan-kevitra mikasika ny lafiny sosialy, ny zo sy ny andraikitry ny mpiasa, ny herisetra miseho amin’ny endriny rehetra eo anivon’ny toeram-piasana ary ny teknika fanaraha-maso sy hanafoanana izany. « Resy lahatra amin’ny fiantraikan’izany hetsika izany eo amin’ny fiainan’ny mpiasa malagasy sy ny tontolo iasany izahay », hoy ny filohan’ny FFMP, Ramaro­son Jean Michel. Andrasana, araka izany, ny hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ireo mpanjifan’ny fikambanana nandray anjara tamin’ny fiofanana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: