Foto-drafitr’olona

Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana amin’izao? Voalohany sy lehibe amin’izany ny fanorenana fotodrafitrasa; eny, na hoe atao laharam-pahamehana aza ny sosialim-bahoaka noho ny fahasahiranana marolafy. Teo ny dona vokatry ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, ny rivodoza maro nifanesy, ny krizy ateraky ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia… Manginy fotsiny, tsy mahafa-bela ny takaitra amin’ny seha-pamokarana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Eo ihany ny amin’izay fotodrafitrasa izay hoe ilain’ny vahoaka, lovainjafy, mivaingana, hita maso… Mba manao ahoana kosa ny foto-drafitr’olona? Ny omena sy misitraka fotodrafitrasa izany. Mba mifanaraka sy maharaka izany ve ny toe-piainana sy ny fari-piainana, ny fomba fiainana… ? Eo, ohatra, ny lalana na arabe tsara tarehy fa mbola fanariana ranondolana, potehin’ny kodiaran-tsarety… Tsia, tsy miandry ny rehetra misitraka herinaratra, ohatra, ny tena, vao hampiasa ordinatera.
Ahoana koa, ohatra, ny fahadiovana sy ny fahavitrihan’ny mpianatra amin’ny fifantohana tanteraka fa tsy miriorio saina noho ny hanoanana amin’izay sendra ny sekoly manara-penitra? Na ny filaminana amin’ny tsena na tobim-piantsonana manara-penitra tsy anjakan’ny mpanendaka sy mpangarom-paosy na fatorian’ny mpirenireny na maty noana… Be dia be ny ohatra azo visavisaina sy tanisaina. Tsy misy distrika hadino? Mba tsy misy olona hadino koa amin’ny fampandrosoana.
Tsy ho an’ny olona rehetra ihany ny fampandrosoana, fa ho an’ny olona manontolo: ndrao tsy misy fototra na, sana­tria, tsy misy fotony? Aza tezi-dresaka, fa ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa. Tsy ny tsy fisiana na tandrevaka amin’ny foto-drafitr’olona ve, ohatra, no mahatonga ny korontana sy fahalovana eo an-tokantrano, fiarahamonina… ? Na manan-katao izao aza, misy mahava­non-doza tsy ampoizina. Tsy vaovao amin’izao tontolo izao? Dia mihanaka ny fahavoa­zana…
Efa voka-javatra ny fanaovana herisetra, asan-jiolahy, fidorohana zava-mahadomelina, adilahy, fitenenan-dratsy, fisolokiana… Foto-drafitr’olona no antony sy fotony. Ho aiza? Tsy misy fampandrosoana raha tsy mandroso ny maha olona, tsy mandroso ny maha olona raha tsy misy fampandrosoana. Avy amin’ny olona sy ho an’ny olona ny fampandrosoana. Tsy mila mifampitantana mandrakariva amin’izany ve ny olona rehetra sy ny olona manontolo na ny maha olona?

R. Nd.

Partager sur: