Jinghui symphony orchestra, hivondronan’ireo Sinoa «moine», mahatratra 60 mianadahy. Ahitana mpitendry zavamaneno (lokanga, harpe, sodina, contre basse…) sady mpihira, mpandihy. Mivoy ny mozika nentim-paharazana sinoa toy ny mozika klasika bodista. Miangaly ireo mozika klasika tsanganasan’ireo andrarezina maneran-tany toa an’i Mozart, Beethoven, sns ihany koa ny Jinghui symphony orchestra.
Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo, ankoatry ny fiaraha-mivavaka sy fanaovana fanatanjahantena ny fandalinana ny mozika isan’ andro, miampy ny fianarana ny teny sy ny kolontsaina malagasy. «Miainga avy amin’ ny fampiasana ny solfezy ny fampianarana ireo hira eo anivon’ ny Jinghui symphony orchestra. Asongadina sy avoitra anatin’ireo sanganasa ny fitoriana ny fandriampahalemana, fahendrena, fifanajana mba ho fitaizam-panahy, vatana ary saina», hoy Randrianasolo Bopo, anisan’ireo mpitarika eo anivon’ny Jinghui symphony orchestra.
Manao ho zava-dehibe sy manome lanja ny hasin’ny tontolo iainana ny Jinghui symphony orchestra. Arahin’ asa fambolena ireo karazan-kazo mahatratra 5.000 eny Andranovelona izany. Niteraka loharanon’asa ho an’ny mponina manodidina, kosa ny fanorenana ireo foto-drafitrasa eny an-toerana (trano malalaka fanaovana fampisehoana sy tempoly goavana izay kendrena ho vita amin’ity taona ity).
Mifototra amin’ny fampiasana ny mozika mba ho fitaovana mahomby hikoloana ny fanahy sy ny saina hadio mandrakariva ny Jinghui symphony orchestra. Ny Mastera Shi wule sy Jinghui ary i Bopo Randrianasolo no angady nananana sy vy nahitana ny Jinghui symphony orchestra. Anisan’ireo firenena efa niakaran’izy ireo sehatra ny tany Inde sy tatsy Maurice. Azo atao tsara ny manao fifantohana lalina anatin’ny fihainoana ny mozika milamina voaravaky ny dihy mirindra lalaovin’ny Jinghui symphony orchestra.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto