Miaramila miasa ao amin’ ny Bataillon du genie sy olon-tsotra roa indray naratra mafy vokatry ny fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo tao Antsahatapaka, kaominina ambanivohitr’i Mahajeby, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zoma teo. Nanao fanarahan-dia andian-dahalo nangalatr’omby ireo miaramila mpampandry tany niaraka tamin’ ny fokonolona mifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny fampitam-baovao voaray, mafy ny fifandonana tamin’ireo dahalo satria tafalatsaka tao anaty vela-pandrika izy ireo ka antony nahavoatifitra ireto mpanara-dia ireto. Nalaina tamin’ny helikoptera nentina namonjy ny hopitaly miaramila (Cenhosoa) Soavinandriana ireo naratra. Ny sabotsy tolakandro tamin’ny 5 ora hariva, tonga soa aman-tsara teny amin’ny hopitaly ireo niharam-boina ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tsy misy atahorana ny ain’izy ireo.
Nankahery ireo naratra ny MDN…
Tonga nitsidika sy nankahery ireo naratra teny amin’ny Cenhosoa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. “Mirary fahasalamana ary misaotra anareo koa amin’ny asa tanterahinareo eny an-kianja ho fampandriana fahalemana eto amin’ny firenena”, hoy ny MDN. Nanao antso avo ho an’ny vahoaka ny MDN mba hiara-hientana sy hiara-kiasa amin’ny fanomezana angom-baovao haingana ny mpitandro filaminana, hahafahana mamongotra haingana ny tsy fandriampahalemana. Manao sorona ny ainy hatrany ireo mpitandro filaminana mifanehatra amin’ny dahalo any amin’ireo faritra mena amin’ ny tsy fandriampahalemana. Ny dahalo rahateo efa manana paikady manokana amin’ny fiatrehana ireo mpitandro filaminana eny an-kianja.
Jean Claude