Nanao fanentanana ireo rehetra misehatra amin’ny taxi-ville ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi rehetra eto Antananarivo Renivohitra ho avy amin’ny fivoriamben’izy ireo hotanterahina rahampitso, amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina. Araka ny nambaran’ireo solontenan’ny mpisehatra amin’ny taxi eto Antananarivo Renivohitra, zava-dehibe no hodinihina miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miasa aminy amin’io fotoana io. Antsoina hatrany ireo mpisehatra amin’ny taxi-ville hanatevin-daharana.
Maro loatra ny olana mianjady azy ireo sady efa ela koa no tsy nisy fihaonana teo amin’izy ireo. Tanjon’ny fihaonambe ny hifampidinika momba ny vahaolana miaraka amin’ny mpitantana ny tanàna sy hijerena fanatsarana ny asa fitaterana taxi eto Antananarivo ary ny filazana ny hetahetan’izy ireo.
Vonjy