Nifanojo tamin’ny zandary nanao fisafoana, lavon’ny bala ny dahalo 11, tao an-tampon-tananan’ Andimaky – Manambolo, Kominina io ihany, distrika Belo-Tsiribihina, ny faran’ny volana avrily teo.
Nikasa handrava tranombarotra tao amin’io tanàna io ny dahalo 30 lahy, ny alin’ny 27 avrily. Nitondra fitaovam-piadiana, nampihorohoro ireo manodidina izy ireo. Nanapoaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa tonga teo an-tokontanin’io tompon-tsena io. Nifanindry an-dalana tamin’ny fisafoana nataon’ny zandary sivy lahy, notarihin’i kapiteny Richard Razafimamonjy anefa izany.
Nitifitra ireo dahalo. Niaro-tena, vaky nitifitra koa ny mpitandro filaminana. Vokany, lavo teo noho eo ny dimy tamin’ireo dahalo. Nirifatra nandositra ireo namany.
Vehivavy iray nandalovan’ ny bala…
Poa toy izay, nanao tongotra an-katoka nitsoaka ireo dahalo sisa velona. Tsy namela nahazo ny mpanao fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra, lavo teny an-dalana ny dahalo enina. Tafakatra 11, arak’izany, ireo lavo. Tafaporitsaka ireo namany hafa. Tetsy ankilany, vehivavy iray no nandalovan’ny balan’ireo olon-dratsy saingy tsy misy ahiana ny ainy. Tsy nisy naratra ireo mpitandro filaminana. Ankoatra ny fisian’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana, mitohy ny ady amin’ny asan-dahalo, araka ny nambaran’ny kaomandin’ny kaompania Morondava.
Tsiferana R.