“Raharaha Razaivola Raïssa” : mila porofo ny fisiana kolikoly

“Tena mamoafady ny kolikoly, ka tokony ho voaporofo mazava hoe: nisy tokoa ve izany? Raha misy tokoa izany, tsy tokony ho azo leferina. Tsy amin’ny “Raharaha Razai­vola Raïssa” ihany, fa amin’ny raharaham-pitsarana re­he­tra”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ran­dria­manantenasoa Landy Mbo­latiana, tany Fianaran­tsoa, ny herinandro teo.
Marina fa nilaza Razai­vola Raïssa hoe nisy vola navoaka… Ny teny, manidina; fa ny taratasy no mitoetra. Tsy lazaina am-bava ny kolikoly, fa afa-kilaza izany avokoa ny rehetra. Tsy hoe “Raharaha Razaivola Raïssa” dia karakaraina manokana. Amin’ny raharahan’ny vahoaka rehetra, tsy azo leferina ny kolikoly. Nefa tsy fanasoketana am-bava no anaovana izany, fa tokony ho voamarina amin’ny alalan’ny porofo izay lazaina.

Tsy mitabataba ny Bianco
“Toy ny mangina ny ety anivon’ny Bianco. Voalohany, tsy mitabataba ny Bianco. Ao anatin’ny fitoniana izy rehefa miasa”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat, teny Ambohibao, ny herinandro teo. Ny samboaravoara ao anatin’ny fiarahamonina, azy izany. Tsy an’ny Bianco ny mitabataba, fa manao ny asa­ny izy. “Voafehin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana izahay, fa mahita ny zava-misy . Ny rahampitso no mamantatra azy fa izahay tsy manaiky”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: