Manao antso amin’ny minisitera mpiahy ireo mpitantana sekoly tsy miankina momba ny fanofanana ireo mpampianatra ao amin’izy ireo ho an’ny taranja vaovao rehetra.
Niditra amin’ny fizarana faharoa amin’ny fampiofanana ireo mpampiofana mpampianatra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fandaharam-pianarana sy ny fikarohana ara-pedagojia.
Taorian’ny fiofanana nataon’izy ireo ny volana janoary lasa teo, nitohy teny amin’ny Campus Numérique Francophone Ankatso, ny fizarana faharoa haharitra dimy andro. 54 ireo mpiofana avy amin’ireo ivontoeram-pampiofanana rezionaly ara-pedagojia 12 manatrika.
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny tetikasa Eduscac ary ny masoivoho frantsay no nahafahana nanatontosa ny fiofanana. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpampiofana nasionaly amin’ny taranja siansa ara-ekonomika sy ara-tsosialy (SES).
« Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filoha, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara, ny fampiofanana ary manampy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena anatin’ny fanavaozana ny rafi-panabeazana », hoy ny tale misahana ny fandaharam-pianarana sy ny fikarohana ara-pedagojia, Rakotovololona Helikanto Ratsimandefitra, nandritra ny fanokafana.
Vonjy