Fotoana iray tena niavaka ny nifampizaran’ny mpankafy an’i Bodo, omaly. Ankoatra ny fankafizana ny kantony hatramin’izay, nanampy tsiro izany fampisehoana izany ny fihiran’ny tanora mpanakanto ny hirany.
Tontosa omaly, teny amin’ny CCESCA Antanimena, ny fampisehoana nataon’i Bodo, notronin’ny tanora mpanakanto maro. “Tribute to Bodo” no anaran’ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taona nihiran’i Bodo izao fampisehoana nataony izao. Nentina nampiavahana ity fampisehoana ity ny nihiran’ny tanora mpahay kanto vao misandratra ny hiran’ity mpahay kanto manana ny lazany ity. Tsy nifankafoy ny mpanakanto sy ny mpankafy teny amin’ny fiafaran’ny fampisehoana. Mangataka, ary manantena ny hisian’ny hetsika sahala amin’izao ny mpankafy, indrindra ny fiaraha-miasan’ny mpanakanto sangany eo amin’ny mozika malagasy sy ny tanora vao misandratra.
Nankafy ny hira sy ny kanto nentin’i Bodo indray ny mpankafy azy nandritra ny fampisehoana, natao teny amin’ny CCESCA Antanimena. Tonga nanotrona azy tamin’izany ireo mpanakanto vao misandratra, nahitana an’i Yrinaf, Lovatiana, Ayam, Safiid, Betia, Nate tex, Mr Sayda, Lucas, Steph Rambi ary Mendryka. Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny fampisehoana no niarahan’i Bodo nifaly tamin’ny mpankafy azy. Nihirany ny hira notsongainy, nentiny nankalazana izany faha-35 taona nihirana izany. Ny tapany faharoa kosa no nikaloan’ireto tanora mpanakanto ireto ny hirany. “An-kafaliana tanteraka ny handraisana anjara ao anatin’izao fampisehoana lehibe izao. Voninahitra lehibe ho ahy ny mikalo ny hiran’ny olona manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika malagasy” hoy Steph Rambi, mpanakanto vao misandratra.
Lin(Mpianatra asa)