Mahatratra 577 miliara ny volan’ireo nanao tsenam-baro-panjakana naloa tao anatin’ny roa herinandro teo. Ary 13.704 isa ireo tompona dosie nisitraka izany. Ny sabotsy teo, nitondra fanazavana mahakasika iny raharaha iny ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Notohizany fa mbola hanohy ny hetsika ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana. “Vinavinaina ho vitaina ao anatin’ny roa herinandro manaraka ny fandoavana ny volan’ireo dosie hafa miisa 2396. Mitentina, manodidina ny 176 miliara izany ka henjehina aloa mandritra io fotoana io, raha ny fanazavany hatrany. Tafiditra anatin’izany avokoa ireo dosie tsy nanana olana talohan’ny 24 avrily lasa teo. Ankoatra izay, efa andalam-pandoavana ireo dosie “fond routier” ihany koa ny fanjakana malagasy amin’izao fotoana izao. Ka ny 73% amin’ireo nanao ny asa no efa nisitraka izany, ny 13% efa lasa ihany koa ny volany raha mbola anatin’ny fanadihadiana ireo dosie ambiny, 14% kosa ny tomponandraikitra samihafa. Nambaran’ny minisitra fa nisy olana teo amin’ny fandoavam-bola ireo mpamatsy solika eto amintsika. Izy ireo izay mameno ny antsasa-manila ny kitapom-bolam-panjakana, antony nahatonga izay fahataran’ny fandoavana ny volan’ireo nanao ny tsenam-baro-panjakana ihany koa. Ankehitriny, efa misy sahady ny vahaolana sy fifanarahana ataon’ny fanjakana malagasy sy ny banky foiben’i Madagasikara ary ireo banky samihafan’ireo mpamatsy vola hisorohana ny hiverenan’ny zava-misy.
Henintsoa H.