Valiha Académie : 7 mianadahy hivoaka ho mpampianatra

Rehefa nianatra sy nahavita ny dingana faha-III. Mpi­anatra fito mianadahy mianatra eo anivon’ny foibe fampianarana sy fikarohana momba ny mozika «Valiha Académie» no hivoaka ho mpampianatra valiha. Fantatra fa nizara roa ny fiofanana narahin’izy ireo. Fianarana momba ny valiha sy ny fitendrena izany manaraka ny fomba fampianarana mozika fampiasa maneran-tany (solfezy). Tapany faharoa, fianarana mifototra amin’ ny fampitam-pahalalana nampiasain’ny Malagasy hahaizan’ny taranany mitendry zavamaneno.
Ny faramparan’ny volana jona no fantatra fa handray ny mari-pahaizana mifanitsy amin’ny dingana vitany ireo mpianatra eo anivon’ity foibe tantanin’ny Zanabaliha ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: