Narian’ny olona tsy fantatra, taolam-paty am-polony tao amin’ny fokontany Ambondrona – Potomainty, ny sabotsy 06 mey teo. Renim-pianakaviana iray sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitra ao an-toerana izy. Nidina ifotony ireto farany nanamarina ny zava-misy. Nipetraka anaty kirihitra ny taolan-dava maromaro. Tsy fantatra mazava ny niavin’ireto taolana ireto. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Mandrisika ny mponina manana tany eo amin’ny manodidina hanadio ireo faritra mifanandrify azy ireo ny lehiben’ny tanàna ao an-toerana.
Tsiferana R.