Nirefodrefotra indray ny basy tao Tanandava, ny zoma teo. Nandeha nisafo kizo sy fandehanan’ny rano hanondrahana tanimbary midadasika ao Antranofoty ny zandary sy ny fokonolona vitsivitsy ao an-toerana niaraka tamin’ny sarety. Rehefa niverina nody anefa izy ireo teny Mirohaky, nisy nanakana ny sarety nitondra azy ireo. Dahalo dimy lahy no tompon’antoka tamin’izany. Raikitra teo ny fifampitifirana ka lasa nitsoaka ireo malaso. Basy iray marika Beretta niaraka tamin’ny famaky iray ary mangahazo hatao vatsy an-dalana no navelan’ireo dahalo. Hatreto, tsy mbola fantatra na misy maty ireo dahalo fa mitohy ny angom-baovao momba ity fanafihana ity.
Jean Claude