Belaoko Lokoho: tratra ireo mpifankatia namono olona

Voasambotry ny polisy avy ao Andapa ny mpifankatia voarohirohy tamin’ilay raharaha vonoan’
olona tao Andapa, ny sabotsy maraina teo.

Naharay vaovao ny polisy fa nisy vono olona tao amin’ny fokontany Ambahakarabo kaominina ambanivohitr’i Belaoko Lo­koho distrikan’Andapa, ta­min’io fotoana io. Nidina tao an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ny razana sady nanokatra fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa lehilahy iray 44 taona no nisy namono tao an-tranony. Nanao ny fikarohana ny polisy ka tsy lasa lavitra dia tratra ireo mpamono olona. Nitsoaka nihazo an’Andapa ireto nahavanon-doza rehefa avy namono azy tamin’ny fomba feno habibiana. Polisy manao sakana hiditra teo Andapa no nisambotra azy ireo. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy ireo. Nilaza izy ireo fa nove­lesina tamin’ny hazo ny lo­han’ity niharam-boina ity ka maty tsy tra-drano. Rehefa hitany fa maty ilay olona, lasa nitsoaka izy roa. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Hatreto aloha tsy fantatra mazava ny anton’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Mitohy ny famotorana.

J.C

Partager sur: