Croix Rouge Malagasy : nankalaza ny faha-60 taonany

Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 tao­nan’ny Croix Rouge Mala­gasy (CRM) izany.
Marolafy ny hetsika nentina nanamarihana izany. Nisy ny fanomezan-dra maimaimpoana sy fizarana sakafo ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena. Fotoana nankasitrahana ireo mpilatsaka an-tsitrapo nahavita be tamin’ny asa fiahiana ny mpiara-belona teny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny omaly.
Notolorana mari-pankasitrahana sy mari-boninahitra ireo mpiara-miasa ao amin’ny CRM manerana ny Nosy, nisongadina ny naharitra ta­min’ny asa.
Nilaza ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Croix Rouge Malagasy fa manamafy ny fanamby dia ny fanampiana ireo sahirana sy mila tohana ary manamaivana ny fahasahiranan’ireo mila vonjy.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera je­neralin’ny minisiteran’ny Mpo­nina, Rakotonirina Mia­risoa Patricia.
Samy nanana ny hetsika nanamarihana izany koa ny tany amin’ny faritra. Tany Antsohihy, ohatra, namangy ireo reny tera-bao sy zaza tsy salama tao amin’ny hopitaly ny mpilatsaka an-tsitrapo. Ankoatra izany ny asa tanamaro nataon’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: