Depiote Randrianasolo Nicolas : “Ilaina ny fifampidinihana”

“Inona no manakana ny fitondram-panjakana hiantso ny mpanohitra na ny FFKM hanao fifampidinihana? Tsy tokony hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao an-tsainy ny hoe fizarana seza izay fifampiresahana izay”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randria­nasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.
Tsy sakanana avokoa ny mpanao politika, fa samy manana ny vinany sy ny fijeriny hampandrosoana an’i Ma­da­gasikara. Nefa izy ireo no tsy maintsy mirotsaka, raha tsy mazava ny fomba sy ny fitsipi-dalao amin’ny fa­nao­vana politika. Tsy hitovy ny olona manama fahefana sy manan-katao hifaninana amin’ny olona manana fe­hinke­vitra hampandroso an’i Mada­gasikara.
Manana tombondahiny ny mpitondra amin’izao: manana fitaovana, fahefana, nahavita fotodrafitrasa… Ha­hazoany mitrandraka sy mampiroborobo ny politikany eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany. Tsy hanomezan-tsiny ny tsy manana fahefana izay. Nefa rariny raha mitaky ny hoe tokony hisy ny fifampiresahana ry zareo. Amin’izay, afa-tsiny ny mpitondra.

Tsy maika ny fifidianana filohan’ny Repoblika

Tsy maika ny fifidianana filohan’ny Repoblika, na voafetran’ny lalàna aza hoe dimy taona ny fe-potoam-piasany. Tokony haroso ny fifidianana ben’ny Tanàna, izay tapitra fe-potoam-piasana mialoha ny filohan’ny Repoblika. Tsy ma­ninona na amin’ny taona ho avy aza ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Inona no olana raha misy fiaraha-mitantana handaminana ny fifidianana?
“Izay no anaovako antso avo amin’ny filohan’ny Re­poblika hoe: aza fitahin’ireo olona manodidina anao ireo ianao, fa tsy ireo no nifanaraka tamin’ny vahoaka malagasy. Izy filohan’ny Re­pobli­ka no tokony hanapa-kevitra hoe hanao fifampidinihana”, hoy izy. Misy zavatra tokony halamina ao. Satria misy krizy ao anatin’izay raharaha politika izay.

R. Nd.

Partager sur: