Niteraka resabe tato ho ato ny momba ireo famoronana fokontany. Tsy misy akory ny resaka lisitra fanampiny, any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ireo zanaky ny faritanin’i Toliara ny herinandro teo fa tsy mitombina velively ny filazan’ireo mpanao politika sasany fa faritra fanaovana hala-bato ny any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny famoronana fokontany “Matoatoa” miisa 1 000. « Fanaratsiana sy fanaovana tsinontsinona ny zon’ireo mpifidy izany. Tsy mbola misy manana porofo marina na ny zanaky ny faritra na ireo any amin’ny faritra hafa amin’ity resaka hala-bato ity”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny solontenan’ny mponina fa tsy tokony hatao ho fitaovana politika ny any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ny avy amin’ny Ceni fa tsy mitombina izany lisitra fanampiny any Toliary II izany. 41 ireo fokontany nanaovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ary mizotra tsara ny asa, araka ny nambarany. Nampahafantarina koa ny porofo rehetra amin’ny tsy mampitombina izany lisitra fanampiny sy fokontany “Matoatoa” izany.
Manoloana izany, niantso ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenenena sy ny mpanao politika ary ny olom-pirenena ny Ceni, hanana fahasahiana handray andraikitra raha miseho ny tsy fahatomombanana na koa ireo manana ahiahy amin’izao fanomanana ny fifidianana izao. « Vonona izahay ny hihaino sy hamaha olana raha toa ka misy izany”, hoy ny filoha lefitra fahatelo eo anivon’ny Ceni, Rabary Laza, tany an-toerana.
Noraisina ny fepetra
Etsy andaniny, nanambara ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, amin’ny alalan-dRazafimamonjy Laza, fa tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny minisitera ny fananganana fokontany vaovao. “Maro ireo fepetra takina vao afaka manao izany. Efa noraisina ny fepetra momba ity raharaha ity ary efa nampanantsoina ireo mpanao politika, nametraka ahiahy momba izany”, hoy izy. Niantso fitoniana ho an’ny rehetra ireo tomponandraikitra isan-tokony.
Ankoatra izany, ahina ny tsy hifidy ireo mpifidy maherin’ny 300 ao anatin’ny fokontany Lovokampy, Toliara II, raha toa ka latsaka ny orana ao antin’ny fotoana hanatanterahana ny fififdiana. Voatery miampita ranomasina ireo mponina ka nangataka ny hametrahana birao fandatsaham-bato miisa roa, hialana amin’izany olana izany.
Synèse R.