Atao eto Antananarivo, ny 8 hatramin’ny 10 mey, ny andiany faha-37 ny fivoriana iraisam-pirenen’ny vaomiera mpitarika ao amin’ny Biraom-paritry ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny ladoany (OMD). Fivoriana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana tomponandraikitry ny haban-tseranana aty amin’ny tapany atsimo sy atsinanan’Afrika (ESA). Miisa 24 ny firenena mpikambana ESA mandray anjara.
Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny ladoany malagasy, Zafivanona Lainkana, fa efa natao teto Madagasikara, ny novambra 2022, ny fivoriana faran’ny vaomiera mpitarika. Notohizana izany, mialoha ny fivoriambe an-tampony hatao any Bruxelles, foiben’ny OMD amin’ny jona 2023.
Paikady 2022-2025
Nilaza ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, Ramanampanoharana Andry, fa maro ny lohahevitra manan-danja aty amin’ny faritra ESA. Ilaina ny mampahafantatra ny mampiavaka ireo firenena 24, sady mampandroso ny sehatry ny ladoany aty amin’ny faritra.
Tafiditra ao anatin’ny paikadim-paritry ny ESA ho an’ny taona 2022-2025. Toy ny fanamorana ny fifanakalozana, ny fifaninanana ara-toekarena, ny fiarovana ny orinasa, sns.
Njaka A.