Misy tandrevaka ny fidirana sy fivoahan’ny entana ao Toamasina. Ny 18 avrily teo, nilaza ny ny zandarimariam-pirenena ao Atsinanana fa misy moto halatra tafavoaka avy ao an-toerana, nentina sambo hihazo an’i Taolagnaro. Taorian’izay, nanambara ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Serge Gellé fa lasa varavarana hivoahan’ny entana halatra avy ao Toamasina ny Agence portuaire maritime et fluviale (APMF). Notohizany fa misy tandrevaka ny fanaraha-maso ataon’ity birao ity. Etsy ankilany, nanilika izany tany amin’ny seranan-tsambo ny Talem-paritry ny sampandraharahan’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, Rakotozafiarimamy Ronsard Franck.
Manoloana izay, nanao fanadihadiana momba io filazana io ny mpanao gazety. Voamarina ny zava-misy ka zary mampirongatra ny halatra ny tsy fanaraha-maso ireo entana halatra isan-karazany. Anisan’izany ireo entana ahondrana amin’ny sambo avy ao Mahavelona Foulpointe sy Mahambo izay tsy hita taratra velively.Toy izay ihany koa ireo entana eny amin’ny lakandranon’i Pangalana. Ity farany izay mbola vavahady fidiran’ny toaka gasy sy rongony ary ny hazo sarobidy samihafa. Ny ao Mahanoro manokana, tsy mampiditra entana eny amin’ny seranan-tsambo intsony ny kamiao. Ataon’izy ireo eny amin’ny iray kilaometatra tsy hidirana ny tanàna izany.
Sajo/ Henintsoa H.