Hamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy : voarara tsy mahazo miditra eto i Dylan Thiry

Hohamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy ka handray fepetra ny governemanta amin’ny tsy fahafahan’i Dy­lan Thiry miditra eto Madaga­sikara intsony. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy momba ny fivoahan’ilay hafatra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” mahakasika fanondranana zazakely ataona teratany vahiny iray antsoina hoe Dylan Thiry. Nanazava ny polisy fa raha ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, voasazin’ny lalàna ny fanondranana an-tsokosoko olona indrindra fa ny famarinan-jaza amin’ny alalan’ny fananganana zaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tsy ara-dalàna ireny. Ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana fa ny taona 2022 no nivezivezy indroa teto Madagasikara i Dylan Thiry. Indroa niditra sisintany ary indroa nivoaka ny sisintany izy. Fantatra ihany koa fa tsy nisy zaza malagasy niaraka taminy nandritra ny fivoahany indroa ny sisintany, araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny polisy hatrany. Araka ny voalazan’ny fehe­zan-dalàna andininy faha 37 sy, ao amin’ny lalàna 2014/ 40, afaka manenjika sy mitsara ary manasazy ireo olona mandika lalàna eo amin’ny sehatry ny fanondranana an-tsokosoko olona eto an-toerana na any ivelan’i Mada­gasikara ny fitsarana malagasy. Ny polisy rahateo koa efa nahazo baiko avy amin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ny hanokafana fanadihadiana momba izany.

J.C

Partager sur: