Havatsa-Upem : nankalazaina ny faha-110 taonan’i Regis Rajemisa

Notanterahina teny amin’ny Panorama Andrainarivo, ny fankalazana ny faha-110 taonan’i Regis Rajemisa Raolison. Ny fikambanan’ny mpanoratra sy poeta malagasy, Havatsa-Upem no nikarakara ny hetsika, niaraka ta­min’ny fianakaviana sy ny taranak’ity mpanoratra ity. Nandritra ity fankalazana ity. Nisy ihany koa ny famoahana boky mirakitra ny amboara tononkalo nataon’ny mpanoratra ankehitriny nentina nanamarihana izao fankalazana izao. Nampiavaka azy tamin’ny mpanoratra namany ny fikatrohany manokana teo amin’ny sehatry ny fampianarana. “Olona iray toa arivo eo amin’ny teny sy ny haisoratra ary indrindra ihany koa ny tantara ho an’ny teny, ho an’ny tany malagasy”, hoy Andrianasolo Hajaina, filo­han’ny Havatsa-Upem ma­nontolo.
Teraka ny 8 mey 1913, tany Antsiranana, i Regis Rajemisa Raolison. Mpam­pianatra no asa nofidiany fahavelony, ankoatra ny maha mpanoratra azy. Boky fianarana maro no navoakany. Anisan’ny tena nalaza sy mitoetra ankehitriny ny “Ra­kibolana Malagasy”. An­koatra izay, nisy ihany koa ny “Etsy Babeko”, “Lovako”, “Isambilo”, “Talaky mandeha”. Nisy ihany koa ny boky nosoratany tamin’ny teny frantsay, sahala amin’ny “Grammaire Malgache, Les poètes malgaches d’expression française”. Ity mpanoratra ity no filoha voalohan’ity Havatsa-Upem, ary izy no namorona izany ny taona 1952. Nandritra ny dimampolo taona no nanoratan’i Regis Rajemisa Raolison. Tantara foronina, amboaran-tononkalo, boky fianarana ary boky fampianarana no nosoratany tao anatin’izany.
Mbola hisy ny hetsika hafa hoentina hanamarihana izao fankalazana izao. Ho an’ny Havatsa-Upem manokana, hisy ny vela,-kevitra ho tarihin’Andrianasolo Hajaina, filohan’ny Havatsa-Upem, mahakasika an’i Regis Ra­jemisa Raolison. Hisy ihany koa ny fankalazana ho tanterahin’ny Akademia Malagasy, amin’ny maha akademisianina an’ity mpanoratra ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: