Kitra – Atsimondrano Champions League (ACL 2023) : mpilalao 2300 niatrika ny fotoam-panokafana

Notanterahina, teny amin’ny kianja Ambohimamory Itaosy, ny alahady lasa teo, ny fanokafana tamin’ny fom­ba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny Atsimon­drano Cham­­pions League (ACL 2023), taranja baolina kitra. Nakotroka ny hetsika, nahatratra 2300 ireo mpilalao niatrika ny fotoam-panokafana. Tsiahivina fa hiady izay ho lohany amin’ity ireo ekipa 78, avy amin’ny kaominina 26 mandrafitra an’Atsimon­drano.
Nanome voninahitra ny lanonana ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Andriamanohisoa Gérard, Nanambara ity farany fa ma­nome sehatra goavana ny fanatanjahantena ny filoham-pirenena. Poro­fon’izany, ny fa­nanganana ireny kianja ma­nara-penitra sy kianja mi­tafo manerana ny faritra maro eto Mada­gasikara ireny. Ezaka mila tohanana satria mahavory tanora maro amin’ny fa­naovana fanatanjahantena ary fitaovana iray hiadiana amin’ny fidonanam-poana sy ny fidorohana amin’ny zava-ma­hadomelina. Notsiahiviny fa hotanterahina amin’ny kianja misy bozaka artifisialy ny famaranana ity ACL 2023, ity. Hahazo volabe izay ekipa ho tompondaka eo. Marihina fa vy nahitana sy angady nananana ity Atsi­mondrano Cham­pions Lea­gue ity, ny solombavambahoaka Andry Ratsiva­hiny. Hanom­boka ny asabotsy, 13 mey ho avy izao ny andro voalohany ary tsy hifarana raha tsy ny 16 jolay. Mampiavaka ity fifaninanana ity, ny fiofanana omena ireo mpanazatra ny klioba rehetra mandray anjara.

Torcelin

Partager sur: