Ligue des Champions : hanalavela amin’ny Real ny City

Hotanterahina anio, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « ligue des Champions ». Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Real Madrid, espaniola sy ny Man­chester City, Anglisy. Fihao­nana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Santiago Berna­beu. Hanala vela ny anglisy, ny Real Madrid no nanapaka ny nofin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana, ny taona lasa teo. Ekipa roa, samy ao anatin’ny heriny ary samy manana mpilalao kalaza, toa ndry Benzema, Vinicus Jr, Rodrigo ho an’ny Madrilenina, raha toa ka ry Haaland sy Kevin De Bruyne ary Grealish ny an’ny Citizens. Raha ny fahitan’ireo mpakafy, ho toy ny lalao famaranana izy ity, klioba mafy indrindra tamin’ity taona ity izy roa ireto. Nilaza ny mpanazatran’ny Real, Carlo Ancelotti, fa hiezaka ny hamono baolina izy ireo ary hiezaka ny hitazona an’i Ha­aland. Etsy ankilany, Pep Guardiola, teknisianin’ny Man City, nanambara fa hiezaka ny handresy ny Real amin’ireo lalao roa (mandroso sy miverina) ry zareo. Mari­hina fa ny alarobia 17 mey ho avy izao ny lalao miverina ho an’ny roa tonta ary ao amin’ny Etihad Stadium no hanatanterahana izany.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: