Ataon’ny olona fanariana fako sy maloto ny lakandrano eny Anosibe. Nandray andraikitra hanadio izany ny eo anivon’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I, nanomboka omaly.
Nodiovina, nanomboka omaly, ny lakandrano eny amin’ny arabe ao anatin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I. Diovina avokoa ny lakandrano eo anelanelan’ny Villa Tahirisoa hatreny amin’ny lakandrano Andranolava. Maharitra 5 andro ny tetikasa, iaraha-miasa amin’ny fikambanana Sandratra sy ny fokontany eny an-toerana. Tanjona ny hisian’ny fahadiovana sy hisorohana ireo karazan’aretina maro samihafa (tazomoka, fivalanana…).
Maloto, maimbo, feno fako ny lakandrano, raha ny zava-misy eny an-toerana. Mitampin’orona ny mpandeha rehetra eny an-toerana noho ny fofona ateraky ny loto. «Ataon’ny mponina sy ny mpivarotra manoloana ny arabe, fanariana poti-kanina, rano maloto ary diky mihitsy ny lakandrano”, hoy ny sefo fokontany Anosibe Mandrangobato I, Ralaiarimanana. Nilaza izy fa manentsina ny lakandrano ny fako ka mampiakatra ny rano mameno ny arabe. Manimba ny lalana vetivety nefa ny fahamandoana lava ka antony nanaovana ny hetsika.
Tokony hovaina ny toe-tsain’ny rehetra mieritreritra fa misy manadio foana ny lalana rehefa maloto, raha ny fanazavana. “Tokony hangonina ny fako ary hariana any amin’ny toerana natokana ho amn’izany ny diky fa tsy eny amin’ny lakandrano”, hoy izy.
Nohamafisiny fa hihatra amin’izay ny sazy ho an’ireo tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny fahadiovana sy ny fahasalamana (CMH) eny anivon’ny fokontany.
Mino (Mpianatra asa)