Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces

Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toa­masina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razana­kolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra aty Antananarivo hihaona amin’ny minisitra tomponandraikitra.
Mandrahona ny hanamafy ny fitokonana sy hampikatso tanteraka ny fandraharahana eo anivon’ny oniversite ireto mpiasa mpandraharaha miisa 120 tsy nandray na tapaka karama efa ho 2 taona ireto. Raha tsy voavaha aorian’ny fiverenana avy any Antana­narivo ny karaman’ izy ireo dia raikitra ny fampiatoana ny fandraharahana.
Andaniny, nivoaka tamin’ny fanginany indray koa ireo mpampianatra mpikaroka, Se­ces, noho ny fitakian’izy ireo ny tambin-karama sy tokony ho fandraisana ireo mbola tsy tafiditra ho mpiasam-panja­kana. Masiaka mafy ireto mpampianatra noho izany ka hanakatona ny fampianarana raha vao tsy hisy famahana haingana ny olana.

Sajo

Partager sur: