Ozinina mpanodina tantely : mahazo vokatra 100 t isan-taona

Anatin’ny politikam-pirenena ny fametrahana ozinina 75 manerana ny Nosy. Anke­hitriny, nahazo ny anjarany ny ao Manakara. Tafapetraka ny ozinina fanodidina tantely any an-toerana. Mahatratra 100 t isan-taona ny vokatra azo avy amin’ireo kaominina samihafa ao anatin’ity distrika ity. Hisy fiantraikany mivaingana amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny mponina ny fahazoana ny ozinina. Nahavelombolo ny mpiara-belona izany noho izy hanome asa sy hampidi-bola ho an’ny rehetra.
Mahalany tantely hatramin’ny 800 kilao isan’andro ny ozinina. Araka izany, “mahazo tombony ny mpandraharaha; mahazo tombony ny kaoperativan’ny mpiompy tantely; mahazo tombony ny fanjakana. Izay no atao hoe fanorenana ifotony. Rehefa tsy izay dia tsy izy”, hoy ny minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria (MICC), Raza­fin­dravahy Edgard, nandritra ny fanolorana ny ozinina ny sabotsy lasa teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa “One district, one factory” (ODOF) izao fanolorana ozinina izao. Taorian’izay, nitafatafa tamin’ireo mponina ny minisitra. Fantatra nandritra izay fa hiasa avy hatrany ny ozinina afaka iray volana. Fotoana ijerena ireo pitsopitsony isan-karazany. Tsiahi­vina fa anisan’ny faritra mpamokatra tantely indrindra manerana ny Nosy ny faritra Atsimo Atsinanana ary tsy nitsaha-niakatra ny vokatra azo nandritra ny telo taona farany. Nahatratra 15,12 t ny vokatra azo ny taona 2022 teo.

Henintsoa H.

Partager sur: