Taorian’ilay fitakiana nataon’ireo mpilalao Barea chan sy ny staff, mahakasika ny tambin-karaman’izy ireo, dia nakarin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ho 50% ny vola homena azy ireo , noho ny zava-bitany nandritra ny Chan Algerie 2022.
Lelavola 250 000 dolara na 1 100 000 000 Ar, izay antsasak’ilay 500 000 dolara na 2 200 000 000 Ar no tambin-karama natolotra ho an’ny mpilalao sy ny staff Barea, izay nanao ny fifaninanana « Chan Algérie 2022 ». Ankoatra izay, nitsinjara toy izao ny vola sisa, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo, 10 % ho an’ny klioba, 5 % ligy, 5 % Orange Pro League (OPL), 30 % ny an’ny FMF.
Taorian’io fanambarana io, tsy misy mpilalao nanome ny heviny. Tsiahivina fa niteraka resabe ity raharaha ity. Teny am-piandohana dia nitsinjara toy izao ny vola, 30 % ho an’ny mpilalao sy ny staff , raha toa ka 70 % ny an’ny FMF sy ny ligy ary ny Opl, ka niteraka olana be ho an’ny mpilalao izany.
Hatramin’izao, tsy mbola fantatra na hitsipaka na hanaiky io fitsinjarana vaovao io ny malagasy mpilalao nitondra avo ny voninahi-pirenena nandritra ny Chan 2022. Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ny Can 2019, nitsinjara toy izao ny prime azon’ny Barea, 60 % ho an’ireo mpilalao sy ny staff, raha toa ka 40 % ny an’ny FMF.
Niova hevitra noho ny tenin’ny filoha ?
Ankoatra izay, nahalasa saina ny rehetra ity fiovan-kevitra ity. “Nivaly ny antso nataon’ny filoham- pirenena, Rajoelina Andry Nirina”, hoy ireo Malagasy mpakafy baolina kitra. Tsara ny mampahatsiahy fa lasa raharaham-pirenena mihitsy ity “Prize money” ity, nanao fangatahana tamin’ny federasiona sy ny minisitera ny filoha, nandritra ny lanonana fanolorana mari-boninahitra, teny Iavoloha, ny alahady lasa teo, mba hijery haingana ity raharaha ity.
Tsy mbola fantatra ny mpanazatra Barea
Afaka iray volana, hihaona amin’i Ghana i Madagasikara amin’ny fiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny Can 2023, izay hatao any Côte d’Ivoire. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny anaran’ny mpanazatra hitondra ny ekipam-pirenena, raha tamin’ny 18 avrily lasa teo no nilaza izy ireo fa afaka andro vitsy, dia hampahafantarina ilay teknisianina vaovao.
Fitia (Mpianatra asa)