Nanomboka ny janoary 2021 ny fandaharanasa Sunref Madagasikara. Tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola, tanterahin’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), mifantoka amin’ny lafiny angovo sy ny tontolo iainana. Tamin’ireo orinasa aman-jatony nanolotra ny tetikasany avy, maherin’ny 30 ny voasivana.
Taorian’ny nijoroan’ny fandaharanasa Sunref Madagasikara, ny taona 2021, nampahafantarina ny jolay 2022 ny antso tolotr’asa ho an’ny orinasa maniry ho tohanana ny tetikasany. Hisahana ny famatsiam-bola azy ny banky anankiroa, ny BNI sy ny MCB, miara-miombon’antoka amin’ny AFD, manatanteraka ny fandaharanasa Sunref. Nomena vahana ny orinasa misehatra amin’ny lafiny angovo azo havaozina, ny fitantanana ny angovo, ny tontolo iainana sy ny manodidina azy ary ny sosialy. Nomena tombondahiny koa ny vehivavy mpandraharaha. Maherin’ny 30 ireo orinasa voasivana ho tohanana ara-bola. Tanjona ny hanohanana ny rohim-pihariana hanana fiantraikany matanjaka amin’ny toekarena eto amin’ny firenena.
Misehatra amin’ny sokajim-pihariana samihafa ireo orinasa ireo. Ahitana orinasa vaventy, afakaba (toy ny sehatry ny lamba, ny informatika, …), ny indostria sy ny fanodinana sakafo, ny fanodinana ilomenaka, sns. Eo koa ny tetikasa miompana amin’ny tontolo iainana, toy ny fanodinana ny rano efa avy nampiasaina, ny fanodinana ny fako samihafa ho lasa angovo, sy ny hafa.
Santionany amin’ireo tetikasa sy ny orinasa voasivana :
Sokajy angovo azo havaozina : Ny tetikasa Jirosoa, naroson’ny orinasa Aina. Fanamboarana foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano ao amin’ny reniranon’ Amboara (Amoron’i Mania, Fianarantsoa). Manana tanjaka 100 Kwh, hamatsy herinaratra ho an’ny olona 11.055 ao amin’ny fokontany Soavina sy Ambalakinana, kaominina Soavina.
Sokajy fahombiazana ara-angovo : Fanavaozana ny milina fanodinana menaka (huile de palme) an’ny orinasa Savonnerie Tropicale any Melville Toamasina. Ho afaka mihodina 100% ny ozinina, ary tsy misy very na iray aza ny voa « palmier » hahodina ho menaka.
Sokajy Tontolo iainana : Tetikasa Fitantanana sy fanodinana ny fako sy fitantanana ny zava-mananaina ataon’ny Hotely Isalo ranch (Ranohira, Toliara). Miorina ao anatin’ny Faritra arovana Parka nasionaly any Isalo. Mizara efatra ny tetikasa dia ny fanodinana ny fako organika havadika ho zezim-pako, ny fanodinana ny fako ho lasa entona biogazy. Eo koa ny fanodinana ny akora plastika ary ny fiarovana ny zava-mananaina amin’ny alalan’ny famoronana ala madinika vaovao.
Sokajy vehivavy mpandraharaha : Tohanana Rtoa Rasoamahanirana Marie Louise Schmidt, DG-n’ny orinasa Biogasikara Energy. Mamokatra birikikely fandrahoana (solon’ny saribao sy ny kitay), avy amin’ny fako sy ravi-maina. Tombanana hatrany amin’ny 200 ha ny ala ho avotra soloin’ny vokatry ny Biogasikara Energy. Manodidina ny 5.000 t ny fako voaangon’ny vehivavy sahirana hatramin’ny taona 2024.
Tetikasa roa miavaka
Anisan’ny tetikasa miavaka, noho ny fiantraikany amin’ny sosialy, ny tontolo iainana, ny angovo ary ny toekarena, ny tetikasa anankiroa. Ny naroson’ny orinasa Kaloes, manamboatra vokatra avy amin’ny akora rofia sy ny hoditra. Misy ny fananganana fitaovana mikirakira ny rofia sy fitantanana ny rano avy nampiasaina eny amin’ny ozinina eny Antanetibe. Hametrahana toerana fandrahoana sy fandokoana ary fanamainana rofia. Hisy koa ny fitaovana manova ny herinaratra (transformateur), hampiakarana ny tanjany. Eo koa ny fanadiovana ny rano avy nampiasaina.
Faharoa ny orinasa afakaba Epsilon, manamboatra akanjo. Hisy fitaovana fanadiovana ny rano (Step) avy nampiasaina avy any amin’ny fivoahana sy ny fidiovana ary fisakafoana. Entina hanondrahana zaridaina sy ny zanakazo indray ny rano azo avy eo.
Njaka Andriantefiarinesy