Tarika Soa: hanao seho tokana eto Madagasikara i Ludy Soa sy Nathan

Mirehareha amin’ny maha malagasy tokoa raha i Ludy Soa sy Nathan. Hitohy hatrany ny fanandratana ny haikanto Malagasy. Eo ihany koa ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, indrindra ny eto Madagasikara.

Hanatanteraka fampisehoana lehibe eto Ma­dagasikara i LudySoa sy Nathan, ny Sabotsy 20 mey 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hetsika lehibe tafiditra ao anatin’izao fandalovan’izy ireo eto Madaga­sikara izao. «Ny fifangaroan’ny kolontsaina no anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana ity. Ny tanora malagasy avy any ivelany no haneho ny maha Malagasy azy sy hitondra ny zavatra hitany tany ivelany», hoy i Hobisoa, mpikarakara. Gadona maro loko no ho hita mandritra io fampisehoana io. Efa vonona ny mpikarakara ary efa ao anaty famerenana ihany koa ny mpandray anjara rehetra.
Fotoana tokana hihaonana sy hiarahan’i Ludy Soa sy Nathan, amin’ny mpankafy eto Madagasikara, ny fam­pisehoana hatao ny sabotsy
20 mey 2023, ao amin’ny CCEsca. «An-kafaliana tanteraka no hanoloranay ity fampisehoana ity ho an’ny Ma­lagasy. Haneho ny haikanto vitanay tanora monina any ampitan-dranomasina izahay amin’io, ary koa haneho fa mirehareha izahay fa Mala­gasy» , hoy i Ludy Soa. Ha­haritra ora 2 ny fampisehoana. Hisy ny vahiny nasaina handray anjara amin’ny fampisehoana, eo ihany koa ny mpitendry, izay nasaina manokana. Hira malagasy fahiny sy amin’izao fotoana izao, eo ihany koa ny hira amin’ny teny frantsay sy anglisy. Ireo no handrafitra ny fampisehoana amin’io fotoana io. “Amin’ny ankapobeny, hira malagasy ny 50 isan-jaton’ny hatao. Hisy ihany koa ny fandefasana ny hiran’izy ireo manokana izay mbola tsy nivoaka”, hoy i Hobisoa, mpikarakara.
Nahafantaran’ny maro an’i Ludy Soa sy Nathan ny fifaninanana “The Voice”, tamin’ny nikalon’izy ireo ny hiran’i Mika&Davis. Efa manana ny hirany manokana izy ireo ankehitriny, ary efa nahatsangana ny tarika Soa. Tanjon’ny tarika Soa ny hi­voahan’ny raki-kiran’izy ireo amin’ny faran’ity taona ity. Any ivelany any, efa maro ny trano mpamokatra sy tekinisianina miara-miasa amin’
ity tarika ity. Hitodi-doha any ivelany, hanatanteraka fampisehoana sahady ny tarika, aorian’ity fampisehoana ity.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: