Teteza-miitatra !

Raha ny vaovao miely ankehitriny dia hisy indray ny tete­zamita. Asa, mety hisy hifandraisany amin’ny fitarazohan’ny fanomanana ny fifidianana angamba izany ? Ny zava-misy aloha dia mirona kokoa any amin’ilay fanemorana. Ny fanavaozana ny lisi-pifidiana aza mandrak’izao mbola tsy mety vita, noho ny antony samihafa, indrindra ny lafiny teknika sy ny resa-bola ary ny kirizim-pitokisana eo amin’ny samy mpisehatra politika. Firi­firy ny antoko no mbola velon’ahiahy na mba efa mampiseho fahavononana ihany aza ? Iaraha-mahita ny fanentanana ny mpifi­dy hijery ny anarany anaty lisitra.
Tari-dresaka ihany izany fa ity resaka tetezamita no handeha hojerena akaiky. Nahoana no tsy maintsy handalo amin’izany isika ? Firenena miankin-doha amin’ny fianaka­viam-be iraisam-pirenena i Madagasikara. Tsy afaka ny hiala lavitra ny toroma­rika politika avy amin’izy ireo. Mahaleo tena ara-politika saingy voagejan’ny firenen-dehibe sy ireo fikambanana iraisam-pirenena maro amin’ny resa-bola. Na miezaka ny hanana lalam-bola hafa aza tsy afa-manoatra. « Bedy » vao miana-kendry, mandondom-baravarana ivelan’ ny efa mpanohana mahazatra.
Ireo firenen-dehibe koa anefa, tsy manao ambanin-javatra ny tontolo politika sy ny fitantanana an’i Madagasikara. Strate­jika be ho azy ireo i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra. Mazava ho azy, tsy hamela malalaka ny Malagasy hisafidy ny lalan-kizorany izy ireo, sao hifanohitra amin’ny fiarovana ny tombontsoany. Andra­sana ny fahatongavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay, izay nahemotra. Taratry ny zava-hiseho aoriana kely izy. Fivahi­nianana, mifono zava-miafina maro amin’ny resaka diplaomasia sy ny ho avy politikan’i Madagasikara. Misy ifandraisany amin’ny tontolon’ny fifi­dianana sy ity resaka tetezamita ity.
Nahoana no tetezamita ? Anisan’ny paikady hiarovan’ny vahiny ny tombontsoan’izy ireo ny voka-pifidianana tsy ara­hana krizy lavareny. Raha ny zava-misy eto Madagasikara anefa, mampanahy ny ho fizotry ny fifidianana sy ny aoriany. Na iza ho lany eo, sarotsarotra ny hahazoana fankatoavana avy amin’ny ankolafin-kery rehetra, toa ireny tamin’ny taona 2018 ireny. Iny voka-pifidianana iny no anisan’ny demokra­tika indrindra ho an’ny vazaha. Te hamerina ireny izy ireo !
Dia ahoana anefa ny vahoaka malagasy amin’izany? Ny fahantrana aza efa mandifotra. Fifidianana haingana, mi­tondra fanovana no andrasan’ny rehetra ! Asakasak’ireo mpa­nao politi­ka ho saribakolim-bazaha na mba hijoro ho an’ny Taninjanaka ! Raha ny zava-misy, tsy vahaolana intsony ny teteza-miitatra.

r.r

Partager sur: