Tratra nanao kolikoly : Kaomisera migadra 2 taona

Tratra ambodiomby nanao kolikoly ny kaomisera iray tao Mahanoro. Vola mitentina 3 tapitrisa Ariary no nampijabaka azy. Nomelohin’ny fitsarana migadra roa taona an-tranomaizina

Voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina ny kaomisera iray, eo anivon’ny polisy ao Mahano­ro, taorian’ny niakarany teny anivon’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly (PAC), ny 4 mey teo. Resaka fanolanana nataona raim-pianakaviana iray tany an-toerana no niandohan’ny raharaha. Voalaza fa nanolana ny mpanampy vavy tao an-trano ilay lehilahy. Nosamborin’ny polisy tamin’ny faran’ny volana marsa. Tokony niakatra fampanoavana tany Vatomandry ny raharaha, saingy tsy tanteraka. “Voatery nahemotra noho ny tsy fahafahan’ny mpi­tsara ny fotoam-pitsarana ny raharaha”, hoy ny loharanom-baovao. Nampitarazoka ny fitazonana teny amin’ny “violon” izany.
Manoloana izany, tonga tao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ilay ramatoa vadin’ny voalaza fa mpanolana. Nilaza fa hitady fifampiraharahana tamin’ny polisy izy hanavotana ny vadiny. Nifa­naraka ny roa tonta. Nanaiky ny tolotra ilay manamboninahitra polisy. Tapaka fa hanome 3 tapitrisa Ar ho an’ny kaomisera ny fianakaviana, takalon’ny famotsorana ilay rangahy. Nitondra ny vola tokoa ilay ramatoa, tamin’ny fotoana nifanomezana. Nam­piany marika anefa ny ravim-bola. Mbola nampiasa fitaovana fandraisam-peo koa izy. Tsy nahalala na inona na inona ilay kaomisera ka roboka.
Fotoana fohy taorian’izay, tonga tao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny mpiasan’ny Bianco, nanao fanamiana sivily. Sady nampiseho karatra no nisava ny biraon’ny kaomisera. Vokany, tratra tao ny vola 3 tapitrisa Ar. Tsy afaka nandà intsony, voafatotry ny vola efa nisy marika avy tany amin’ilay ramatoa. Nanamafy ny fiampangana azy ny fisiana horonam-peo nirakitra ny resaka nifanaovan’ny roa tonta.
Nentina natao fanadihadiana tany Toamasina, ny 28 marsa, ilay kaomisera. Niaka­tra teny anivon’ny PAC, ny 29 marsa ka naiditra am-ponja vonjimaika. Tsy tontosa ny 24 avrily teo, nihemotra ny 4 mey ny fitsarana azy. Voasazy higadra roa taona sazy mihatra ilay kaomisera. Ho an’ilay ramatoa kosa, nitory azy ny teo anivon’ny polisim-pirenena ao Toamasina. Tsy noraisin’ny PAC anefa ny antontan-taratasy mahakasika izany. Mipetraka ny fanontaniana araka izany: amin’ny resaka kolikoly, angaha tsy mitovy ny sazin’ny mpanome sy ny mpandray, araka ny lalàna manankery?

Tsiferana R sy Randria

Partager sur: