Anisan’ny vokatra tsy nahitana fiakarany firy ny atody na teo aza ny sondro-bidim-piainana samihafa. Tato ho ato, miakatra tsikelikely izany ary efa misy tafakatra 650Ar.
Tao anatin’ny andro vitsy, tsy nitsaha-niakatra ny vidin’ny atody eny amin’ny tsenakely rehetra. Tsikaritra ihany koa izany eny amin’ireo mpamongady, etsy amin’ny tsenan’ny tantsaha Antohomadinika. Taloha raha 550 Ar ireo atody lehibe iray, ankehitriny efa lasa 600 Ar izany. Misy mihitsy aza ireo efa mivarotra izany ho 650 Ar. “Vitsy ny atody miakatra amin’zao fotoana izao. Tafiditra anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka rahateo isika ka tsy manatody ny akoho”, hoy ny fanazavan’i Lanto, mpamongady atody iray etsy Antohomadinika. Na izany aza anefa hoy izy, diso tafahoatra ny fiakarany tamin’ity taona ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.
Tamin’ity herinandro ity, tafakatra 80 Ar ny sondrom-bidin’ny atody raha oharina ny tamin’ny herinandro lasa teo izay mbola 10 Ar monja. Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny tsena izany. Betsaka ireo tsy mahalafo intsony, mihena ny isan’ny mpividy, mihena manaraka izay koa ny isan’ny atody lafo isan’andro . “Taloha raha mahalafo atody 10.000 isan’andro izahay, amin’izao midina amin’ny antsasany mihitsy izany. Raha sendra maro mpanjifa ihany vao lany tanteraka ny entana saingy tsy isan’andro izany”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Maro ihany koa ireo mpivarotra hani-masaka sy ireo trano fisakafoana nampihena ny kaomandiny andavanandro. Araka izany, velon-taraina ireo tantsaha. Mampikaika ny olon-drehetra ihany koa ny zava-misy. “Izahay maka atody 500 isa isan-kerinandro , dia voatery nampihena ny kaomandy atao”, hoy i Fara, mpivarotra hani-masaka. “Maharitra ela vao lafo ny , indrindra amin’ity fiakarany ity dia voatery nampihena ny kaomandinay koa izahay”, hoy i Feno, mpanao tsenakely.
Mifampiankina
Ankoatra ny andro mangatsiaka, anisan’ny mampiakatra ny vidin’ny atody ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny provandy sy ny katsaka. Miantraika betsaka amin’ny toekaren’ny tantsaha sy ny mpanjifa ny zava-misy ary mifampiankina ireo rehetra ireo. Ho an’ireo mpamongady atody manokana, tsy afa-mampiakatra intsony ny vidin’entana izy ireo noho ny tahotry ny tsy hisy hividy intsony. “Maro izahay no eto ka tsy afaka hanombana vidin’entana aho. Ny mpividy mandalo sy manontany ary mampitaha vidin’entana ka raha mampiakatra ianao dia mifindra amin’izay ahitany mora izy na dia mpamongady aza izahay”, raha ny fanazavany hatrany. Notohizany fa 10 Ar isaky ny atody ny tombom-barotra azony isan’andro.
Ireo mpandefa atody any amin’ny faritra ihany koa nampihena ny isan’ny kesika alainy. Teo aloha raha maka kesika roa, mahazaka atody 1.200 ry zareo. Amin’izao lasa kesika iray sisa. Antony mahatonga izany ny fahalafosan’ny mason-karena. Voatery mampidina ny vidin’ny atody izy mantsy raha toa mihena tampoka ny vidin’izany.
Vinavinaina mbola hiakatra ny vidin’ny atody, indrindra amin’izao akaiky fety izao. Aorian’ny fetim-pirenena kosa vao mety hisy fidinany izany, hoy hatrany ireo mpivarotra.
Henintsoa Hani