Sarona tao amina fiara mpitatitr’olona, mampitohy an’Ambanja sy Mahajanga, ny rongony 150 kg, omaly. Nafenina tao anaty gony maromaro, nokasain’ny tompony hamidy any Mahajanga ireto entana ireto. Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisavana teny amin’ny lalam-pirenena ny fiara nitatitra izany. Voasakana, tra-tehaka tao anaty taksibrosy ny gony miisa 5 feno rongony. Natao fanadihadiana ny mpamily ka olona roa no fantatra fa tompon’ny entana. Natao ny fisamborana azy ireo tao Mahajanga Renivohitra. Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny vela-pandrika ireo roa lahy ary nogiazana ny rongony 150 kg. Misokatra ny fanadihadiana.
Rongony 212 kg koa tratra tetsy Ampitatafika…
Ankoatr’io, lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana rongony ity sarona tao Ambohimangidy Ampitatafika, ny 5 mey teo, ity. Mpamongady rongony hatry ny ela ny lehilahy. Natao ny fisavana ny trano fonenany ka tratra tao ny rongony 212 kg. Tsinjarainy amin’ireo mpividy eny amin’ny manodidina azy ny entana. Notanana ity mpivarotra zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra ity ary natolotra ny fampanoavana omaly izy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Tsiferana R.