Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Esorina ireo tsy manaraka fepetra”

“Anisan’ny solombavambahoaka tohina aho manoloana ny fanambarana toy ireny. Miantso ny solombavambaho­aka maro anisa namako eo anivon’ny Antenimierampirenena aho hanao ny dingana hanalana an’ireo solombavambahoaka tsy manaraka ny fepetra sy ny lalàm-pitondran-tena mba tsy ho anisan’ny solombavambahoaka intsony.”
Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miari­na­rivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny fisiana depiote nilaza am­pahibemaso ny fanonganana azy raha misy sahy manao izany. Tsy fanarahan-dalàna ny tsy fanajana ny lalàm-pitondran-tenan’ny vondrona parlemantera misy ny tena, araka ny voalazan’ny And. 72 amin’ny lalàmpanorenana.
Mazava tsara ny voasoratra amin’io andininy io fa azon’ny filohan’ny vondrona parlemantera ny mangataka ny fanalana azy tsy ho solombavambahoaka intsony izay solombavambahoaka miala amin’ny lalàm-pitondran-tenan’ny vondrona parlemantera misy azy. “Amiko izany, fihantsiana no natao manoloana an’izay andininy voasoratra ao anatin’ny lalàmpanorenana izay. Ny lalàmpanorenana no lalàna faratampony ampiharina eto Madaga­si­kara”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: