Tanàna anisan’ny mamokatra voanjo ny kaominina Befeta, ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa. “Mahatratra 30t isan’andro ny vokatra azo ao an-toerana ary mavitirka amin’izany famokarana izany ny mponina”, hoy ny loharanom-baovao iray. Olana anefa ny famoahana ny vokatra. Araka izany, mangataka ny hisian’ny ozinina fanodinana voanjo ny mponina any an-toerana fa tsy hionona amin’ny fambolena izany fotsiny. Izany hoe orinasa afaka hamadika ireo voanjo ho lasa menaka. Mitobaka tokoa ity vokatra ity mandritra ny telo volana misesy, manomboka ny volana mey sy jona ary jolay ary aman-taoniny maro ny voanjo azon’ireo mponina. Etsy ankilany, ratsy anefa ny lalana mampitohy an’i Befeta sy ny distrik’Ambohimahasoa ary ny faritra Matsiatra ambony. Nisy ny tagnamaro izay niarahan’ny mponina nanamboatra ny lalana. Noho izany, manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo mba hijerena ity fotodrafitrasa ity. Tanàna mamokatra ity kaominina ity. Ankoatra ny voanjo, mbola mamokatra voaloboka ihany koa izy. Mahatratra 300 hatramin’ny 400t isan-taona ny vokatra azo ao an-toerana.
Henintsoa H.