Notontosaina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso, omaly, ny fandaharanasa nokarakarain’ny FES (Friedrich-Ebert-Stiftung). Nahafahana nanao vela-kevitra sy dinika lehibe ho an’ny tanora. Fotoana nahafahan’ny tanora naneho ny heviny mikasika ny zotram-pifidianana sy ny tontolo politika eto Madagasikara.
«Efa manomboka liana sy te hisehatra eo amin’ny tontolo politika misy eto Madagasikara ny tanora (18 – 24 taona) ankehitriny», hoy ny mpandrindra ny fandaharanasa eo anivon’ny FES Andriambolanoro Miray Clémence. Nilaza izy fa tsara raha hatomboka eny amin’ny lycée sy ny ambaratonga ambany ny fampahafantarana ny tontolon’ny politika mba hahafahan’ny ankizy manao safidy tsara sy manana nofinofy mikasika izany. Nohamafisiny hatrany fa tokony hampiana sy homena sehatra ihany koa ny fihainoana ny tanora malagasy. Marihina fa tafiditra tao anatin’ny tetikasa «Participe» niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara ny hetsika.
Mino (mpianatra asa)