Fifidianana : vonona hanampy ny UE

Ny fepetran’ny Vondrona eoropeanina (UE): arakaraka ny vola eo an-tanan’ny fiombonambe iraisam-pirenena no ha­ha­zoany mandray anjara amin’ ny fanampiana. Izay ny nambaran’ny ambasadaorony, i Isa­bel­le Delattre, tamin’ny fanombohana ny herinandron’ny Von­drona eoropeanina teny Ankorondrano, afakomaly.
Vonona hanampy ry zareo amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hihena anefa ny fanampiana. Tsy toy ny tamin’ ny fifidianana tamin’ny 2013 nifanarahan’ny kandidà roa lehibe tsy hirotsa-kofidina iza­ny, na ny tamin’ny 2018 nivoahana tamin’ny krizy. Mbola miandry ny fehin-kevitry ny iraky ny Firenena mikambana (ONU) momba ny fifidianana, nitsidika teto ny volana marsa, ry zareo ny amin’izay fanampiana izay.

Voatohintohina
Nasiany teny koa ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Ati­ta­ny ny amin’ny fandrarana ny famoriam-bahoaka ankalamanjana ho an’ny antoko politika. Nefa misy hatrany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana hetsika famoriam-bahoaka amin’ny firenena ma­nana ny fiandrianany. Na eo aza ny fanahiana ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, zo fototra izay.
Araka ny fahazoana vaovao marim-pototra no tokony hanapahan’ny minisitera ny fandrarana ny fahazoana manao hetsika na famoriam-bahoaka ankalamanjana. Zava-misy maneran-tany izany. Fanohinto­hi­na­na ny fahalalahana maneho he­vitra sy manao famoriam-ba­ho­aka ny fandrarana tsy misy fe­pe­tra na fanavahana. Mampi­he­na ny famoriam-bahoaka politika ny fanaovana izany anaty trano. Amin’ny fivoriana ny faritra ambanivohitra, ohatra, tsy voatery hisy efitrano ma­lalaka hivoriana na tsy maintsy fivoriana politika no atao.

R. Nd.

Partager sur: