Niteraka resabe teny amin’ny tambajotra sosialy ny hoe hena ambara ho misy “formol”. Manoloana izany, nanambara ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, omaly, fa manameloka ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra izy ireo. « Misy ny fitiliana ny fahamarinan’ny fahasalaman’ny hena, ataon’ireo vétérinaire inspecteur, alohan’ny hiakarany eny ambony ankalana », hoy ny fanazavan’ny dokotera Raymond, minisitra lefitra misahana ny Fiompiana. Marihina amin’ny “estampille” izany na ilay marika mangamanga hita amin’ny hena iny. Araka izany, manana zo hijery sy hitaky io marika io ny mpanjifa. Na koa misava ny boky manambara fa voatsara ara-dalàna ilay hena amidy. Ankoatra izay, mila taratasy avy amin’ny mpitsabo ny fividianana “formol”. Ary miavaka amin’ny fofony mahery sy manaikitra izay tena sarotra afaka izy io. Notsindrin’ny minisitra lefitra hatrany fa mbola afaka mitsirika ireo hena amidy eny ambony latabatra ireo vétérinaire inspecteur mpanara-maso. Ny zandary eny an-dalana ihany koa mbola afaka mitsirika ireo hena taterina, izay miainga amin’ny toerana famonoana ary mandalo fitiliana ara-dalàna.
Fampihorohoroana saim-bahoaka ny fizarana vaovao tsy marim-pototra, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. “Famotehana ny tontolon’ny toekarena eny ambanivohitra ihany koa izany, izay tsy eken’ny minisitera”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa Hani